Iza
ireo
Iza
ireo e ! Zovy koa !
Avy aiza no tany niaviana.
Aiza ho aiza fa tena
mahaliana.
Ny fitafy e !e ! hafa
kely e !
Ny fandihy e !e ! mahavariana.
Avy aiza e ! e ! ia
(x2)
Tsy hafa akory.
Fa izahay no Malagasin'i
Madagasikara.
Ka diniho ary mba fantaro
tsara.
Ny fitafy e nentin-drazanay
e !
Ie e ny fandihy e !
tsy nindraminay e !
Fa malagasy e !e ! ia
(x2)
Ao Afrika antsinana
ao no misy anay e !
Atopatopan'ny onjan-drano
izy izay e !
Kanefa tsy izay no lazaina
hoe manirery
Manana havana maro be
ka tsy very
Ny havany akaiky dia
i Afrika
Iray ra aminy raha adika
Ny havan-davitra koa
dia maro
Izay no paraky miampy
laro
O ! ry lahy e ! O re
roy e ! e !
Manan-jara a ! a !
O ! ry lahy e ! O re
roy e ! e !
Gasikara a ! a !
O ry lahy e ! e ! O
re roy e !e !
Mana-tiana a ! a !
O ! ry lahy e !e !O
re roy e !e !
Tsy mangina a ! a !
Izany izy rehefa
mandihy.
Misoratsoratra kanto
ery.
Ny lambaoany e ! e !
Izany izy raha milalao.
Maresadresaka toy izao.
Ka hafa ihany a !a !
Iza ireo e ! Zovy
koa !
Avy aiza no tany niaviana.
Aiza ho aiza fa tena
mahaliana.
Ny fitafy e !e ! hafa
kely e !
Ny fandihy e !e ! mahavariana.
Avy aiza e ! e ! ia
(x2)
Parole et musique : Rakotomavo Gabriel
dit Dadagaby " Voninavoko "
AVOKO
Avoko anie aho ka avoko
e !
Avoko eny an-tampon-tanety
e !
Ny raviny soa lemademaka
e !
Ny voany voa mahareta
e !
Mahareta raha hiady
aminay hianareo ô !
Eny a ! ndeha mba hilalao
ô !ô !ô ! lahy e !
Eny a ! ndeha mba hilalao
ô !ô !ô ! roy e !
Valala eny aho ka
valala e !
Valala eny an-tampon-tanety
e !
Ny lahy lasa nisitaka
e !
Ny vavy koa tsy nitranga
ô nankaiza e !
Eny a ! ndeha mba hilalao
ô !ô !ô ! lahy e !
Eny a ! ndeha mba hilalao
ô !ô !ô ! roy e !
Akoho anie aho ka
akoho e !
Akoho kely latsaka an-kady
e !
Hanidina aho tapak'elatra
e !
Haneno anie aho kely
feo ô re roy e !
Eny a ! ndeha mba hilalao
ô !ô !ô ! lahy e !
Eny a ! ndeha mba hilalao
ô !ô !ô ! roy e !
Chant des ancêtres
|