Mbola
Ao
Mbola
ao sa nifindra fonenana ianao?
Aiza ho aiza ny foko
no misy ny anao?
Tsindrimandriko omaly
niara-dia izaho sy ianao
N'aiza na'aiza tanteraka
raha sitrakao.
Malama maina ny
tany
Ka mba mahaiza ihany
Sao solafaka hatrany
Izany havako izany.
Mbola ao tsy nifindra
fonenana izaho
Anilanao eo ny foko
hatramin'izao.
Tsindrimandrinao tanteraka
izao
Fa tafaray isika satria
sitrakao.
Malama maina ny
tany
Ka mba mahaiza ihany
Sao solafaka hatrany
Izany havako izany.
Paroles : Vonihantamalala RAMPARANY & Jean MARLINE
Musique : Jean MARLINE
|