Tsikitsiky
Itondray
tsikitsiky aho é raha ho avy ianao ô
Tsikitsiky tsy miharo
tokelaka
Izay mibitsika tena
malefaka é
Tsy ho ren'ny tia fosafosa
Fa hanako any anatiko
kosa ô
Tsy ho ren'ny tia fosafosa
ô ô ô ô
Fa hanako any anatiko
kosa
Itondray safosafo
aho é raha ho avy ianao ô
Safosafo tsy re toy
ny aloka
Hifitsahako eo mba hihanoka
é
Tsy hosembanin'izay
ahiahy
Hampihoala ny fo sy
fanahy ô
Tsy ho sembanin'izay
ahiahy ô ô ô ô ô
Hampihoala ny fo sy
fanahy
Itondray kalokalo
aho é
Raha ho avy ianao ô
Kalokalo toa rtsy maraina
Ho ngononina fa tsy
ho hiraina e
Toy ny kalon'ny rivotra
monja
Raha mikalo fitia amin'ny
onja ô
Toy ny kalon'ny rivotra
monja ô ô ô ô ô
Raha mikalo fitia amin'ny
onja
Hafatrafatra ny
ahy é
Raha ho avy ianao ô
Rediredin'ny tsy afa-manohatra
Te haniny no sady misaotra
é
Te hihonona nefa miangavy
Raha ho avy ianao ka
ho avy ô
Te hihonona nefa miangavy
ô ô ô ô ô
Raha ho avy ianao ka
ho avy
|