Les musiciens

"Rano"

cd_rano

"A Madagascar les rivières sont rouges du sang de la terre ... "

"The rivers of Madagascar are red because of the blood of the earth ..."

Na Ikopa e, na i Betsiboka
Mivarina any an-dranomasina ny rano ô
Ndra Onilahy, ndra Menarandra
Mivarina any an-dranomasina ny rano ô
Na ilay Mania, na i Mananara
Mivarina any an-dranomasina ny rano ô

Na ny any avaratra na ny any antsimo
Na ny any antsinanana na ny any andrefana
Ny ranon'i Gasikara menamena

Na i Pangalana, na Mangoro
Mivarina any an-dranomasina ny rano ô
Na i Bemarivo, na i Sambirano
Mivarina any an-dranomasina ny rano ô
Na i Mangoky, na i Mandrare
Mivarina any an-dranomasina
ny rano ho'aho e

Nankaiza ny ala, nankaiza ny ala

"Tompokolahy sy Tompokovavy
Ny resaka hatao antsika mianakavy
Dia momba ny : "Doro-tanety sy tavy"
'Reo mpandinika maro namakafaka
Ny amin'ny voka-dratsy aterakin'ny afo
Hatry ny ela be no efa nanambara
Fa ho fongana ny ala eto Gasikara
Noho ny : "Doro-tanety sy tavy"
Faty antoka ho antsika mianakavy
Ireo 'zay mbola mampiasa azy
Sokajiana ho anisan'ny mpamosavy
Tsy maintsy ho saziana fa olon-dratsy"

Nankaiza ny rano, nankaiza ny rano

"Eritrereto kely
Ny fijaliana hahazo anao
Raha ny akanjonao ireny
No dorana eny an-koditrao
Dia tifirina rano am'izay
Mba hitsovaka ilay nofonao efa may
Fantatrao ts'isy hafa amin'izany
Ny mahazo ny tany
Noho ny : >"Doro-tanety sy tavy"
Jereo fa kila mangadihady
Ts'isy zava-maniry mba miaro azy
Ka faohin'ny rivotra kaohin'ny rano
Lasa ranom-potaka :
io no mandoto ny renirano !"

Ny ranon'i Gasikara menamena